Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Minisitra Ramaholimasy Pierre Houlder: «  Mitohy ny tetikasa efa  nofaritana… »

Minisitra Ramaholimasy Pierre Houlder: «  Mitohy ny tetikasa efa  nofaritana… »

“Vita iny ny fifidianana. Mifarana ny asan’ny governemanta  sy ny asanay.  Mitohy avokoa ny tetikasa rehetra  sy ny fanatanterahana ny vina efa voafaritra”, hoy ny minisitry ny asam-panjakana  (Fop), Ramaholimasy  Houlder, tetsy By Pass, omaly. Nifampiarahaba noho ny taona vaovao ny teo anivon’ity minisitera  ity ka nanaovana jery todika ny lasa sy ny hiatrehana ny ho avy.  Nambarany fa  anisan’ny niady mafy  ny tenany ny hampiakarana ny tetibolan’ny minisiteran’ny Asam-panjakana raha  19 miliara Ar izany, ny taona 2016. Nidina  ho 12 miliara Ar izany tamin’ny taon-dasa. “ Nangatahina ny hampiakarana izany ho 28 miliara Ar … Tsy maintsy tohizana ny fijerena ny mpiasam-panjakana sy ny mpiasa eny anivon’ny sehatra tsy miankina ary koa  ireo tsy anasa”, hoy izy. Nasongadiny koa ary nireharehan’ny minisitra fa anisan’ny fifaninanana madio nokarakarain’ny minisitera ny fidirana eo anivon’ny sekoly Enam.  “Afaka noho  ny fahaizany ireo fa tsy nisy kolikoly na resa-bola. Tafiditra amin’ny fanadiovana ny lafiny fitantanana izany”, hoy ihany izy.

Synèse R. 

Les commentaires sont fermées.