Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: eo am-piandrasana tako-pery

Fery kely iray no manararaotra dia ny vatana manontolo no mangorangorana. Toy izany ny fahasorenana teto amin’ny firenena nateraky ny disadisa efa ela nikotrika teo amin’ireo mpifaninana roalahy tamin’iny fihodinana faharoan’ny fifidianana filohampirenena iny. Ny valin’ny fifidianana nambaran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, no afaka lazaina fa mamarana ny fanasana ny fery izay tsy maintsy anombohana ny fitsabona ho fanasitranana azy. Adidin’izay mbola manao fihetsehana mety handoto sy hampihitatra ny ratra. Izy no hatao mangirifiry voalohany amin’ny alikaola izay tsy maintsy ampiasaina eo am-pamerenana ny fanasana fery. Azo heverina fa samy olon-dehibe mahay manaja tena eo anoloan’ny adidiny fa tsy handany andro sy hery amin’ny filàna kisa amin’ilay efa tsy mpifaninana intsony amin’ny tena. Mazava ho azy fa be ierehana andriamatoa Andry Rajoelina amin’ny maha Filohan’ny Repoblika ny tenany. Asa kosa izay safidy hataon’andriamatoa Marc Ravalomanana. Be ny efa vitany teo amin’ny sehatra fanaovana pôlitika ka asa raha hisinda tanteraka izy ary hanokana ny fahaizany sy ny heriny ho an’ny fampiroboroboana ny orinasa natsangany teo aloha izay mandalo fotoan-tsarotra amin’izao fotoana izao. Mety koa anefa hanohy ny tolona pôlitika izy noho ny fiheverany fa tsy mbola tapitra ny adidiny momba izany ary mbola manana ny anjara toerany ny tenany na tapitra teo aza ny fahafahany hanantena fiverenana ho filoha. Raha fanompoana firenena no tena anton’ny firotsahana ao anaty sehatra pôlitika dia maro ireo toerana ahafahana manatanteraka izany hatrany amin’ny toerana faran’izay tsotsotra kely haja sy voninahitra nefa kosa mendrika fiderana sy fanajana ny fanefana am-panetren-tena ny adidy eo amin’izany. Na inona na inona safidy, mbola manara-maso mijery azy ny be sy ny maro izay samy mbola te hahafantatra tsara ny tena izy amin’iny rangaha iny. Misy moa ireo matoky azy izay vonona hanaraka azy na mikipy aza, fa maro koa ny mpankahala izay liana ahafantatra ny fetrany.

Samy miandry koa anefa izay hapoakan’ny Filoha Andry Rajoelina. Izy izao no filohan’ny rehetra, ary setrin’izany izy koa dia miandry ny fientanan’ny tsirairay. Maro no velom-panontaniana, fa inona marina moa no andrasany amin’ny tena ? Ny adidin’ny olompirenena tsirairay moa dia ny fanefana ezaka ahafahana manatsaratsara hatrany ny fiainany. Iza moa hatramin’izay no tsy niezaka toy izany, nefa hono tany mena ve hirehitra ? Na tsy hanao fahagagana aza Andry Rajoelina dia antenaina fa hitondra zava-baovao izy araky ny fampanantenana nomeny ho fanamaitsona ny tany ahafahan’ny mponina hiasa tany iorenam-pangady.

Léo Raz

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique