Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Besiramamy – Maevatanana: taksiborosy nivadika, olona 13 naratra, zandary iray maty

Nitrangana lozam-piarakodia indray teny amin’ny RN 4 mihazo an’i Mahajanga, ny 9 janoary 2018 alina. Teo amin’ny PK 276+500 ao Besiramamy, kaominina Antanimbary, distrikan’i Mevatanana. Araka ny tatitra nampitain’ny zandary, taksiborosy Sprinter an’ny kaoperativa iray avy any Mahajanga hiakatra aty Antananarivo no nivadibadika rehefa tsy nahafehy ny familiana tao anaty fiolahana mampidi-doza ny mpamily. Vokany, olona miisa 13 naratra mafy. Namoy ny ainy kosa ny G2C Andriamihaja Hery izay nanara-dia nanao fiambenana ilay fiara sy ny mpandeha tao amin’ity taksiborosy namoa-doza ity. Tonga teny amin’ny toerana nitrangan’ny loza ny zandary avy ao amin’ny PA Antanimbary nanao ny famonjena ireo mpandeha tao anaty taksiborosy sy nandefa azy ireo namonjy ny hopitalin’i Maevatanana. Potika tanteraka ilay taksiborosy.

Fiara 4×4 roa koa no nifandona teo amin’ny tetezan’Iombifotsy, fokontany Andranomena, distrikan’Arivonimamo, RN 1 Pk 40+300, ny 7 janoary 2019. Fiara Nissan iray hiakatra aty an-drenivohitra nitondra olona dimy sy fiara Jeep iray avy aty an-drenivohitra ireto nifandona ireto. Nivadika tany anaty hantsana 20 metatra ilay Jeep. Olona telo naratra mafy ka nentina ao amin’ny hopitalin’Arivonimamo.

J.C

 

 

 

Les commentaires sont fermées.