Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambatomitsangana – Ambohitrabiby: tokantrano maromaro notafihin’ny andian-jiolahy

Ambatomitsangana – Ambohitrabiby: tokantrano maromaro notafihin’ny andian-jiolahy

Nihorohoro tanteraka ny mponina nandritra ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana mahery vaika tao amin’ny fokontany Ambatomitsangana, kaominina Ambohitrabiby, distrikan’Avarandrano, ny alatsinainy alina teo. Araka ny fanazavan’ireo mponina ao an-toerana, jiolahy ampolony maro no niditra an-keriny nampihorohoro tao amin’ny fokontanin’Ambatomitsangana. Basy lava sy PA no nentin’izy ireo. Notetezin’izy ireo norobaina avokoa ny tokantrano teo amin’ny manodidina. Vola anetsiny maro niaraka tamin’ny firavaka volamena sy entana sarobidy hafa no lasan’ireo mpanafika. Tsy afa-nanoatra kosa ireo niharam-boina fa niaritra ny herisetra sy ny fampihorohoroana nataon’ireo mpanafika. Na teo aza anefa izany, tsy nisy kosa ny aina nafoy fa verivery saina kosa ny sasany tamin’ireo niharan’ny fanafihana. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ity raharaha ity. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana.

J.C

Les commentaires sont fermées.