Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Voka-pifidianana ofisialin’ny HCC: Rajoelina Andry Nirina Filohan’ny Repoblika

Voka-pifidianana ofisialin’ny HCC: Rajoelina Andry Nirina Filohan’ny Repoblika

Filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry, araka ny voka-pifidianana ofisialy navoakan’ny  HCC tamin’ny didim-pitsarana tsy azo ivalozana. Nolavina fa tsy mitombina avokoa ireo fitoriana.  

Efa nampoizina, tsy nisy fiovana firy tamin’ny voka-pifidianana vonjimaika navoakan’ny Ceni, ny 28 desambra, ny voka-pifidianana ofisialy navoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), teny Ambohidahy, omaly, tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika fihodinana faharoa, natao ny 19 desambra 2018.   

Voafidy ho filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry, tamina vato 2 586 983 na 55, 66%, araka ny voka-pifidianana ofisialy navoakan’ny HCC, raha vato 2 587 035 na 55,66% no navoakan’ny Ceni.  2 060 847 na 44, 34% ny vato azon’ny kandidà Ravalomanana Marc, araka ny navoakan’ny HCC, raha vato 2 061 51 na 44,34% no navoakan’ny Ceni.

Tsy misy fiovana firy ny voka-pifidianana vonjimaika sy ny ofisialy, na teo aza ny fitoriana marobe. Toy izany koa ny amin’ny karazana fanerena ny HCC mivantana na ankolaka amin’ny famoahana voka-pifidianana, indrindra ny amin’ny hetsika fidinana an-dalambe nataon’ny mpomba ny kandidà Ravalomanana Marc teny amin’ny kianjan’ny 13 mey .

Nolavina fa tsy mitombina avokoa ireo fitoriana

Nolavin’ny HCC avokoa ireo fitoriana marobe mangataka ny fanafoanana ny raharaham-pifidianana amina birao fandatsaham-bato maromaro. Toy izany koa ny fitoriana mangataka ny fanafoanana ny vato azon’ny kandidà mpifaninana, na ny andaniny na ny ankilany. Anisan’ny antony fototra saika nitovitovian’ireo fitoriana rehetra ny hoe tsy mitombina ny fitoriana. Izay no anisan’ny tsy nampiova firy ny isam-bato azon’ny kandidà roa tonta, indrindra ny isanjato ankapobeny?

Tsy azo ivalozana ny didim-pitsaran’ny HCC  

Ny HCC no hany fitsarana mahefa sy tompon’ny teny farany amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Tsy misy fampiakarana azo atao intsony rehefa mivoaka ny didim-pitsarana: tsy azo ivalozana. Nankatoavin’ny HCC izany ny maha filohan’ny Repoblika an-dRajoelina Andry.

Hilamina tanteraka eo amin’izay ny disadisa politika tamin’ny « Raharaha 2009 »? Efa ny vahoaka no nisafidy sy nanapaka ary azo lazaina fa nanasaraka ny roa tonta ho samy manana ny lalany avy aloha amin’izao… Eny, na ny disadisa politika nateraky ny fifidianana tamin’ny  2013 aza, antenaina fa hazava sy hilamina amin’izay.

Andrasana ny hanaovan’ny filohan’ny Repoblika teo aloha, Rajaonarimampianina Hery, famindram-pahafena amin’ny filoha vaovao, Rajoelina Andry, araka ny fifandimbiasan-toerana demokratika sy milamina sy ny fianianan’ny filoha vaovao, izay voatondro ho amin’ny asabotsy 19 janoary ho avy izao.

R.Nd.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique