Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nilatsaka ny didy: nahazo IST i Mbola Rajaonah, Rolly, Fidel…

Nivoaka, omaly ny didy avy amin’ny minisiteran’ny Atitany amin’ny alalan’ny sampan-draharahan’ny lafintany fa tsy mahazo mivoaka any ivelany na ilay antsoina hoe “IST” ireo olona vitsivitsy mpiandany amin’ny K25. Anisan’izany,  ny mpanao gazety isany, i  Fidel Razara Piera sy i Rolly Mercia  (Raharajason Harry Laurent). Eo koa ilay mpandraharaha, i Mbola Rajaonah ary ny kandidà sady mpitsara Fanirisoa Ernaivo.  Tsy voafaritra mazava ao anatin’izany ny anton’ny  namoahana izao didy  izao. Na izany aza, anisan’ny voaantso eny amin’ny  zandary eo anivon’ny Toby Ratsimandrava koa ny sasany amin’izy ireo, anio.  Tombanana kosa indray fa ny resaka fitarihana hetsika tsy nahazoana alalana sy ny fanakorontanam-panjakana tamin’ireny fidinana an-dalambe ireny ny anton’izao fiantsoana izao.

Randria   

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique