Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Nirefotra tampoka ny varatra ka nilatsaka tamin’ny mpiambina ny « pylône » iray ao amin’ny distrikan’i Befotaka Atsimo, faritra Atsimo Atsinanana, afakomaly tamin’ny 7 ora sy 30 mn hariva. Raha ny fanazavana voaray, roa lahy izy ireo ny miambina ity “pylône” ity amin’ny toerana somary an-tampon-tendrombohitra. Nifandimby izy roa lahy ka tamin’ny anjaran’ilay mpiambina faharoa no nitranga ny loza. Avy ny orana ary nialoka tao amin’ny efitrano fiasany ilay mpiambina no nirefotra tampoka ny varatra ary nilatsaka tao amin’ilay mpiasa nipetraka teo ambony seza. Ny tanany sy ny tongony ary ny kibony no nahitana fahamaizana, raha ny fampitam-baovao voaray. Nentina haingana eny amin’ny CSB II ao Befotaka ilay niharam-boina. Tsy nisy kosa ny aina nafoy na teo aza ny ratra nahazo ilay mpiasa.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique