Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: ela ny ela, tonga ity ny andro…

Nitady toko ka sendra vato. Antenaina fa toko azo itokisana ny mpandresy izay hambaran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana anio. Samy mahafantapantatra daholo hoe iza moa no ho izy, araky ny vokatra nomen’ny Ceni fa noho ny fanajana ny lalàna dia tsy afaka hino tanteraka ny fandresena tena izy na ny faharesena toy izay tamin’iny fifidianana iny mialoha ny fanambarana ny valiny ara-pomba ofisialy izay ny HCC irery ihany no mahefa hametraka izany ho didy mihatra eto amin’ny tany sy fanjakana. Samy naneho ny safidiny ny tsirairay. Ny fitambaran’ny safidin’ny rehetra no nasongadina nentina hanondroana izay ho mpitondra vaovao mandritra ny dimy taona. Na havalona eo aza ny tsy fitovian-kevitra teo amin’ny safidy, tsy maintsy eo ihany ny resaka mikasika ny torolàlana azo raisina avy amin’ny fanapahana noraisin’ny be sy ny maro.

Tamin’ny fihodinana voalohany dia efa nisongadina ny fironan’ny vahoaka hanome fitokisana amin’ny olona efa nitantana, ny telo nomeny lohalaharana samy efa nifandimby teo amin’ny fitondrana, na tsy ara-daharana (désordre) mikasika ny fe-potoana nandalovany tamin’izany andraikitra izany na araky ny taonany tsirairay. Izany hoe tsy mikasika na fahatanorana na fahanterana ny antony voalohan’ny safidy ankapobeny, fa ny fananan’ ny mpilatsaka traikefa ary arakaraky ny zava-tsoa noheverina ho notanterahiny. Arakarak’izay fametrahana safidy amin’olona efa niandraikitra io adidy faratampony io anefa, misy ireo mihevitra fa tsy mitaky fiovana ny vahoaka, na faniriana an’izany fiovana izany aza no heno miverimberina matetika eo anivon’ny fiarahamonina. Mety tsy ho marina izay fomba fanaboroboriana ny hevitra azo raisina avy amin’ny vokatra tamin’ity fifidianana ity. Na samy tsy niambo ho ny vita tany aloha aza ireo roalahy nifaninana tamin’ny fihodinana faharoa dia samy niezaka nampiseho fitomboana fahamatorana sy fandalinana fandinihana nahafahany nanolotra tanjona vaovao sy tetika momba ny fanatanterahana mifanandrify amin’izay. Ny traikefa ananany dia tombony natao antoka ho an’ny fahombiazan’ny fanamby napetraka.

Tazana ho azy ao anatin’ny tanjona voafaritra sy ny tetika angamba ny fisian’ny fiovana, fa mbola toky ihany fotsiny no nifanomezana raha ny fomba fanatanterahana sy ny mikasika ny toe-tsaina entina manao izany no resahina. Ny fiovan-toetra sy toe-tsaina anefa no mifehy ny fahombiazana na tsia, fanambarana momba izay toetra vaovao izay no andrasan’ny olona alohan’ ny fiarahany mientana miaraka amin’ny Filoha vaovao.

Léo Raz

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique