Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: sambo-balala main’andro

Asa izay fihetsika hasehon’ireo olona be voninahitra amin’ity herinandro ity. Manomboka anio dia ho hita eo ny fananany toe-tsaina ambony, mifanentana amin’ny toeram-boninahitra misy azy avy. Eny amin’ny Lapan’Iavoloha no hatazanana izany, amin’ny fandraisana iadidian’ ny Filoha mpisolo toerana, fandraisana atao ho fihaonan’ ny olomanga ho fifampiarahabana tratry ny taona.

Ny hevitra fonosin’ny fifampiarahaban’ny sangany maro karazana dia mitory fiombonana amin’ny fanehona firarian-tsoa sy fahombiazana ho an’ny firenena sy ny mponina. Manam-bitana moa i Madagasikara noho ny fisiana filoham-pirenena efatra mirahalahy mbola velon’ aina avokoa, afaka hiaraka hitso-drano, sady hangata-pitahiana ho an’ny rehetra noho ny fisantarana izao taom-baovao izao. Na hitondra haja sy dera ho azy ireo aza ny fahitana azy rehetra miray hina amin’ny fanefana an’izany, mitaky fanetren-tena amin’ny tsirairay koa ny fanomezana fahafaham-po ho valin’ny fanasan’Andriamatoa Rakotovao Rivo, izay Filoha mpisolo toerana. Izay anefa ny laharana araky ny rafi-pitantanana mipetraka ao anatin’ny Lalàmpanorenana, antony ho fanatanterahana io adidy io mba ho fanomezana hajany ny Repoblika. Mety ho samy hanana antony mitombina azony aroso anefa ny tsirairay ho fialan-tsiny noho ny tsy fahatongavany.

Rahampitso talata dia hiatrika ny valin’ny fifidianana ny rehetra, indrindra fa izy roalahy nifaninana tamin’ny fihodinana faharoa. Toy ny amin’ny fifaninanana rehetra, hisy ny ho mpandresy sy ny ho resy, izay no lalàna sady lalàm-piainana. Mafy ny fizakana izany hoe resy izany, ka ilaina ny fahamafisan-tsaina, izay tsy mitovy amin’ny fahamafisan-doha. Raha maka fanahy amin’ny tsy fanekena ho resy ny hamafisan-doha, maniraka amin’ny fanekena izany ary manampy fahavononana amin’ny fanarenana ny anton’ny faharesena, ho fanomanana ny manaraka, ny fahamasinan-tsaina.

Raharaham-pirenena no atrehina. Fantatra fa ifandimbiasana ny toeram-pitantanana ary malalaka ny sehatra ahafahana mitolona mba handresen’ny hevitra tohanan’ny tena. Mazàna moa dia sodoka avokoa na ny andaniny na ny ankilany, samy variana noho ny ezaka fanohanana  mpilatsaka, ka manadino fa ny hevitra lolohavin’ilay mpilatsaka no tena anton’ny fitolomana. Raha tsy afaka hilatsaka intsony amin’ny manaraka ilay olona resy tamin’ity fihodinana ity, tsy atao olana izany. Raha ny hevitra novoiziny no niraiketana taminy, dia tsy maintsy misy ny mpandimby, voavolavola, tsara hofana, afaka hitarika ny fanohizana ny tolona.

Léo Raz

 

Les commentaires sont fermées.