Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Manome fe-potoana 10 andro, nanomboka ny 2 janoary 2019 lasa teo ireo mpitrandraka volamena tsy ara-dalàna ao amin’ny faritra arovana ao Ranomafana ny zandarimariam-pirenena ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony amin’ny tokony hialan’izy ireo ao amin’ity toerana arovana ity. Tapitra kosa izay fe-potoana izay ka raha mbola tsy miala ireo mpitrandraka dia hiditra an-tsehatra avy hatrany ny zandary. Fantatra fa efa ela ireto mpitrandraka volamena tsy ara-dalàna ireto no namahatra tao amin’ity faritra arovana ao Ranomafana ity.

Miaramila efatra naratra vokatry ny fivadihan’ny kamiaobe iray P4 an’ny Bataillon Inter-Arme ao Tsiroanomandidy (BIA), ny 3 janoary 2019 tamin’ny 10 ora alina izay notarihin’ny lehiben’io toby io. Araka ny fanazavana voaray, hihazo an’i Tsiroanomandidy ilay kamiaobe kanjo vaky kodiarana teo amin’ny 20 km mialoha ny hidirana ny tanànan’i Bekapoaka, kaominina Mitsinjo, distrikan’i Tsiroanomandidy. Vokany, nivadika ambony ambany ilay kamiaobe noho ny fahavakisan’ny kodiarana ankavia tany aoriana. Naratra ireo miaramila efatra izay nalefa any amin’ny hopitalin’i Tsiroanomandidy. Ny zandary ao amin’ny poste avancé ao Mitsinjo no manao fanadihadiana.

 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique