Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mba tsy ho firarian-tsoa fotsiny intsony…             

Mba tsy ho firarian-tsoa fotsiny intsony…             

Ranolava ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao amin’izao: arahaba soa, arahaba tsara. Amin’izao ihany koa, ranolava ny fifampirarian-tsoa, ny faniriana, ny fanoritana izay hatao… Tsy eo amin’ny isam-batan’olona ihany io fa eo anivon’ny fianakaviana, ny sehatr’asa, ny fiarahamonina, ny firenena…

Hatraiza anefa ny tena fanatanterahana ireny firarian-tsoa sy fanoritsoritana izay tetehina hatao rehetra ireny? Raha ny ampahany kely tamin’izay efa fitanisa isan-taona hatramin’izay fotsiny, ohatra, no tena nezahina notanterahina: tsy izao intsony, angamba, ny fiainana? Mety mora iainana kokoa…

Anisan’ny hirahiraina sy tanisaina lava amin’ny tonon-taona toy izao, ohatra, ny hoe fifamelan-keloka, fifankatiavana, fifampitsinjovana, fifanampiana… ho amin’ny fanambinana. Mby aiza? Na efa mafy sy sarotra lotra ny fiainana, ka tsy mahalala sy tsy mahatsiaro afa-tsy ny tena sisa ny maro…

Loza iray, loza roa… Vao mainka manamafy sy manasarotra ny fiainana afa-tsy ny tsy firaharahana ny hafa. Na eo amin’ny isam-batan’olo-miaina io, na isan-tokantrano, na isan-tsehatra… Mby amin’ny hoe voazarazara tsy fidiny ho azy ny tena, hanjakazakan’ny hafa… eo akaiky eo ihany.

Tsy izany ve ny mampahazo vahana ny tsy fandriampahalemana, ohatra, mampirongatra ny halatra sy fandrobana tany, ny fanjakazakan’ny tsimatimanota… tsy mahafa-bela. Miara-dalana amin’izany ny kolikoly, ny raharaham-pirenena ananan-kavana, ny fivarotan-tanindrazana…

Tsy mahagaga raha manjakazaka ny vahiny, fa samy maka ho azy ny tompon-tany. Matimatin’ny tombontsoa manokana amin’ny fanararaotam-pahefana, kiantranoantrano… Hisy ny fiovana amin’izao taona vaovao izao? Eny, na amin’izay fitondrana vaovao eo… Tsy ho firarian-tsoa fotsiny.

Saika fombafomba sy fahazarana ny fifampirarian-tsoa? Tsy hitondra inona ny taona vaovao, raha tsy mihetsika ny tena. « Manao fahadisoana avokoa ny olona amin’ny fiantsariana an-tsaina fa ny hoe hasambarana dia ho tanteraka avokoa ny faniriana », hoy ny mpanoratra rosianina, i Léon Tolstoï.

Rafaly Nd.

Les commentaires sont fermées.