Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vassacos: tratra ny iray tamin’ireo jiolahy enina mpanendaka

Voasambotry ny polisy avy aoa min’ny PPA 4 Antaniavo, ny alin’ny alatsinainy 31 desambra 2018, teny Vassacos ny iray amin’ireo jiolahy enina nanendaka lehilahy miisa roa. Raha ny fanazavan’ny polisy, nandalo teny amin’ny fiantsonan’ny taxi-be eny Vassacos ny polisy tamin’io fotoana io, tokony ho tamin’ny 10 ora alina. Raha nandalo toerana maizimaizina iray anefa izy ireo dia nahita jiolahy miisa enina mbola teo am-panendahana lehilahy roa. Raha nahita izany ny polisy dia nandray andraikitra avy hatrany. Nitsoaka anefa ry zalahy raha vao nahita ireo polisy nanatona azy ireo. Raikitra ny fifanenjehana ka tsy lavitra teo dia tratra ny iray tamin’izy ireo. Noraisim-potsiny izy ka nandritra ny fanadihadiana azy no nilazany fa isan’ireo tompon’antoka tamin’ilay fanendahana izy. Mbola tratra teny aminy ny telefaonina finday avolenta iray vao avy nendahiny tany amin’ireo roa lahy. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Eo am-pikarohana ireo dimy lahy tafaporitsaka kosa ny polisy amin’izao fotoana izao. Fantatra fa isan’ny faritra mena amin’ny fanendahana iny Vassacos sy ny manodidina mihazo ny lalana eny amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy mankany Ambatondrazaka iny.

J.C

 

Les commentaires sont fermées.