Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby: hanomana ny J.O sahady ny FMR

Rugby: hanomana ny J.O sahady ny FMR

Mba hahafahana mahazo vokatra tsara amin’ny lalao iraisam-pirenena, handraisan’i Madagasikara anjara, manomboka mandray ny antontan-taratasin’ireo izay maniry ny ho mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasy, amin’izao, ny eo anivon’ny federasiona malagasy taranja rugby. Marihina fa ny fanomanana ny lalao olympika 2020 sy ny fiadiana ny amboara manerantany 2023 no anton’izao tolotr’asa ho fandraisana mpanazatra ataon’ny FMR izao. Zava-dehibe ary lalao goavana ireo miandry ny ekipa malagasy ireo ka ilaina fanomanana mafy, raha ny fanazavana nentin’ny filohan’ny FMR.  Fanararaotra lehibe ho an’ny ekipam-pirenena ihany koa izao ka tsy tokony hatao ambanin-javatra, raha ny fanazavana hatrany. Mila mpanazatra mahay mampita fahalalana ka hahatsara fototra ny mpilalao tsirairay, ny ekipa malagasy satria izay no lesoka nandritra ny lalao rehetra nandraisana anjara hatramin’izay.

Amin’izany indrindra, ny mpanazatra eo amin’ny Rugby XV lehilahy, sokajy “Seniors” sy U20, ny rugby VII lehilahy, sokajy U16, U18, “Seniors” ary ny rugby VII  vehivavy, sokajy U18 sy “Seniors”, no hiantefan’ izao fiantsoana izao.

Manana hatramin’ny faha 11 janoary izao ireo izay liana amin’ity tolotr’asa fandraisana mpanazatra, avy amin’ny federasiona ity. Eny amin’ny biraon’ny Malagasy Rugby eny Ankorondrano no hanaterana izany.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.