Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Taorian’ny fety, maromaro ireo olona tratran’ny aretim-bavony tonga manatona dokotera. Vokatry ny fihinanana sakafo be loatra, matsiro sy ny fisotroana toaka no antony mahatonga izany, raha ny fanazavan’ny dokotera. Vizana ny vavony rehefa tsy avela hiala sasatra mandritra ny andro maromaro ka maray no hiafarany. Manaikitra ny vavony, mandoa, mivalana… anisan’ny fisehoan’ny aretim-bavony avokoa izany. Ilaina ny misotro rano matetika hanadio ny vavony sy ny tsinay rehefa avy mihinambe, mandritra ny fety. Tokony ho sakafo maivamaivana no hanina, toy ny voankazo sy ny legioma, indrindra ny hariva, tsy tokony ho voky loatra rehefa andeha hatory. Tsy tokony hohadinoina ny fampiasam-batana izaymanampy betsaka ny fandevonan-kanina sy ny fikorianan’ny ra hananan’ny vatana fahatoniana sy fahasalamana.

Mbola velom-panantenana ireo mpivarotra akoho amam-borona na efa vita aza ny fety. Mitondra ny entana eny an-tsena ary tsy kivy. Mbola misy ireo mpianakavy manao fifampiarahabana tratry ny taona vaovao no mividy akoho amam-borona ka tsy maintsy omena fahafaham-po izy ireo, hoy ireo mpivarotra. Mahalafo roa na telo isan’andro eo ary tafakatra dimy na valo aza izany rehefa faran’ny herinandro, aorian’ny fety, toy izao. Nandatsaka kely ny vidin’entana izy ireo satria efa lany volana ny olona ka mitsoaka raha vao tombanana be ny entana, raha ny fanazavana hatrany.

 

Les commentaires sont fermées.