Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Alarobia Amboniloha: namoy ny ainy ilay vehivavy niharan’ny fanolanana tambabe

Alarobia Amboniloha: namoy ny ainy ilay vehivavy niharan’ny fanolanana tambabe

Habibiana tsy nisy toy izany no nahazo ity Vehivavy 19 taona, niharan’ny fanolanana tambabe teny Alarobia Amboniloha, ny alin’ny faran’ny taona teo…

Naolana mialoha ny namonoana azy ity renim-pianakaviana hita faty ity. Araka ny fanazavan’ireo olona mahafantatra azy, ny marainan’ny taom-baovao no hita niboridana sy nihosindra izy. Mbola nisy aina izy tamin’io fotoana nahitana azy niboridana io ka nentina haingana teny amin’ny hopitaly, saingy ora vitsy taorian’ny nahatongavany teny dia namoy ny ainy izy. Mbola afaka niteny sy nanoro ireo andian’olona tompon’antoka tamin’izao fanolanana azy izao izy. Vaky ny lohany tamin’ny fotoana nahitana azy. Tsy vitan’izay fa notsofohana hazo ihany koa ny fivaviany rehefa avy nanaovan’ireo jiolahy ny filàn-dratsiny  ary izany no isan’ny nahapotika ny taova tao anatiny ka nitarika ny fahafatesany. Araka ny filazany mialoha ny nahafatesany, jiolahy maromaro no niara-nanolana azy ary fantany daholo ireo andian-jiolahy nanao fihetsika feno habibiana taminy ireo. Novonoin-dry zalahy avy hatrany ilay renim-pianakaviana rehefa avy naolan’izy ireo. Teo Alarobia Amboniloha, tsy lavitra ilay toerana nahitana ny fatin’ilay vehivavy mpiasan’ny Akamasoa nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana ny taona 2016 ihany koa ny nahitana ity renim-pianakaviana ity nihosindra sy niboridana.

Aiza ny fiarovana ny zon’ny vehivavy…

Nambaran’ireo olona mahafantatra  azy fa ity vehivavy nisy namono ity dia havana akaikin’ilay vehivavy maty nazeran’ny moto teny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra, tamin’ny herintaona, toy izao. Aiza ny fiarovana ny zon’ny vehivavy amin’ny herisetra miharo fihetsika feno habibiana, toy izao? Tokony homena ny sazy faran’izay henjana raha tratra ireo olona mahavita fihetsika mamoafady amin’ny vehivavy. Didin’ny lalàna rahateo ny tsy tokony hanaovana herisetra amin’ny vehivavy sy ny ankizikely tsy ampy taona.

J.C

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique