Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kick Boxing: mandresy hatrany ny Malagasy any Sina

Kick Boxing: mandresy hatrany ny Malagasy any Sina

Tsara fanombohana ny taona 2019, eo taranja kick boxing malagasy. Mbola mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’izy enina mirahalahy, miatrika fifaninanana “Combat Pro K1” any Sina. Nosantarin-dRandrianarivo Faray izany, tamin’ny alalan’ny fandresena goavana azony ny 1 janoary teo, nandritra ny fifaninanana “Perfect Fight in China”. Lavon’i Faray ilay Sinoa kalaza teo amin’ny sokajy -57 kg tamin’ity ady nafana ity. Ankoatra azy, manomana fatratra ary miandrandra fandresena maro sy mihoatra no ho ny tamin’ny taon-dasa ihany koa ireo dimy mirahalahy any Sina. Tsiahivina fa nahatratra 36 ny fandresena azon’ireto mpikatroka malagasy ireto tany Sina, ny taona 2018 teo. Namarana izany fahombiazana izany ny taona 2018 Rakotonirina Mahery, sokajin-danja latsaky ny 80 kg.

Maneho fisaorana ny mpanohana azy ireo izy enina mirahalahy, tamin’ny fanampiana sy fanomezan-tanana ka ahafahana miatrika ady matihanina toy izao. Anisan’ny notoloran’izy ireo fisaorana tamin’izany ny filohan’ny Lion Force, Rahaniraka Naina, sy Razafintsalama Andriantseheno, tompon’antoka tamin’ny fandefasana azy ireo any Sina. Eo ihany koa ny filohan’ny Scorpion club, Rakotondranaivo Julien, sy ny mpanazatra Boto Gilbert ary indrindra ireo Malagasy rehetra mpankafy taranja kickboxing.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.