Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Songadina an-tsary

Songadina an-tsary

Maro ireo nisafidy ny hivavaka niandrasana ny faran’ny taona 2018 sy nitsenana ny taona vaovao 2019…

… Ny an’ny hafa indray, tany amin’ny efitrano filanonana ny nanatanterahany izany.

Raha hisotro ihany, aleo tsy mihataka lavitra ny fonenana ka raha sanatria mamo, tsy mila mpanatitra intsony.

Ny teny ambany tonelina, nanohy ny fiainany toy ny isan’alina ihany. Manantena kosa izy ireo fa hisokatra amin’ity taona ity ny anjara masoandrony!

Niasa mafy tokoa ny mpitandro filaminana sao sanatria misy ny mihoa-pefy sy tsy tan-dalàna.

Nifalihavanja tetsy amin’ny PK 0 Antanimena ireo zatovo maro!

Nampitotorebika teny amin’ny CCI Ivato ry Jerry Marcoss, ny alin’ny 31 desambra.

Niharan’ny antsonjay nataon’ireto mitonona ho mpandamina ny farihin’Anosy ireto ny mpaka sary sady mpanao gazety Rakotobe Michel raha nanao ny asany.

I Fanjaniaina Fifaliana Artinah, zazavavikely teraka tamin’ny 2 ora sy 45 mn ny marain’ny 1 janoary 2019, tao Befalatanana.

Amin’ny vanim-potoana tahaka izao vao mba tazana indray ny voatirin-tsoavaly tsara tarehy toy ity hita amin’ny sary ity.

Nanatontosa: Fanou sy Tiana ary HaRy

Les commentaires sont fermées.