Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra aty Afrika: ao anaty «top 5» ny Barea de Madagascar

Kitra aty Afrika: ao anaty «top 5» ny Barea de Madagascar

Namoaka ny filaharan’ireo ekipam-pirenena amin’ny baolina kitra aty afrika ny gazety boky Jeune Afrique, ny alakamisy lasa teo, araka ny fahitan’izy ireo azy. Anisan’ny ekipa noheverina fa vaovao tafiditra ao anatin’ireo dimy voalohany, «top 5», ny Barea de Madagascar.

Ny zava-bitan’ny ekipam-pirenena malagasy teo amin’ny fifanintsanana niadian-toerana ho an’ny «Can 2019» ny tena naharesy lahatra ny Jeune Afrique. Raha tsiahivina, i Madagasikara no ekipa afrikanina voalohany nahazo ny tapakila hiatrehana izany fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny ekipam-pirenena, izany.

Ny Barea de Madagascar, izay sambany vao hiatrika izany «Can 2019» izany. Na izany aza, mbola eo alohan’ny Barea ny Lionan’i Terangan’i Sénégal, iray vondrona amin’i Madagasikara, eo amin’ny fifanintsanana, ho an’ny «Can 2019». Eo amin’ny laharana fahatelo izy ireo. Fahefatra i Maoritania, firenena kely ihany koa, saingy nahavita dingana goavana ary hiatrika ny «Can 2019».

Tsiahivina fa mbola hiady ny ho ekipa mendrika aty afrika «Caf award» ny Barea de Madagascar. Ho fantatra ny 9 janoary ho avy izao ny ho valin’izany. Mandra-piandry izany, toy izao ny filaharan’ireo firenena 10 voalohany.

 

Tompondaka

 

 

«Top 10 Jeune Afrique 2018»

 

1-Maraoka ; 2-Nizeria ; 3-Sénégal ; 4-Maoritania ; 5-Madagasikara ; 6-Tonizia ; 7-Côte d’Ivoire ; 8-Egypta ; 9-Mali ; 10-Ginea

Les commentaires sont fermées.