Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mahajanga: tratran’ny polisy ilay jiolahy namono an’i Nassim

Mahajanga: tratran’ny polisy ilay jiolahy namono an’i Nassim

Saron’ny polisy avy ao amin’ny Commissariat Central ao Mahajanga tao Marovato Mahajanga, ny faran’ny herinandro teo ilay jiolahy tompon’antoka tamin’ny famonoana ilay teratany Karana mpandraharaha ao Mahajanga, ny 28 novambra 2018 lasa teo. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy, loharanom-baovao iray no nahafahan’izy ireo nisambotra ity jiolahy raindahiny ity. Tratra tany aminy, nandritra ny fisamborana azy ny moto Cross iray. Tsiahivina fa teny an-dalana hamonjy ny trano fonenany ity teratany Karana no niharan’ny fanafihan-jiolahy. Nihevitra ry zalahy fa nitondra volabe ilay Karana ka notifirin’izy ireo avy hatrany. Tsy nisaron-tava ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana, ny 28 novambra 2018 hariva. Mitohy kosa ny fikarohana ny naman’ity jiolahy tratra ity. Niaiky ny heloka vitany ity jiolahy ity, nandritra ny famotoran’ny polisy.

J.C

Les commentaires sont fermées.