Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lanonan’ny faran’ny taona: ho eny Ambohitrahaba Ry Kala vazo

Lanonan’ny faran’ny taona: ho eny Ambohitrahaba Ry Kala vazo

Anisan’ny manomana hetsika goavana hamaranana ny taona 2018 sy hiarahaba ny taona vaovao 2019 ny Noor tower eny Ambohitrahaba. Hanamarika fotoan-dehibe koa ity toerana ity, ny alin’ny alatsinainy 31 desambra, araka ny nambaran’ny mpitantana azy. “Feno herintaona ny nisokafanay. Ahitana toerana fandraisana lanonana, toeram-pivarotana lehibe ary toerana ho an’ny “jeux virtuels”…. Hetsika entina manamarika izany tsingerin-taona izany io fety io”, hoy ny tompon’andraikitra. Nanteriny fa vonona hanome fahafaham-po ireo rehetra tonga eny an-toerana izy ireo ary hahazo ny anjarany avokoa ny sokajin-taona rehetra eny an-toerana amin’io fotoana io. Hifandimby amin’ny seho sy ny fanafanana sehatra ny orkesitra Noor tower sy ry Kala vazo. Hitondra sy hampahatsiahy ireo hira malazan’ny taona 80 sy 90 ary 2000 ny mpampandihy raha hampihanoka ny vazo amin’izao fotoana kosa izy telo mirahahavy. Hanampy tosika azy ireo mandra-maraina ny DJ. “Ho mendrika ny fankalazana  sy ny fetin’ny faran’ny taona koa ny sakafo, hanim-pitoloha”, hoy ihany izy.

Landy R.

 

Les commentaires sont fermées.