Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kardinaly Tsarahazana: « Mba ho amin’ny fitoniana »

Kardinaly Tsarahazana: « Mba ho amin’ny fitoniana »

Tsy nanadino ny vahoaka malagasy sy ny kristianina na tsy eto an-tanindrazana aza ny kardinaly, ny Mgr Tsarahazana Desiré. “Anisan’ny lohalaharana ho an’ny vahoaka malagasy ny fiadanana sy fandriampahalemana. Koa mba hitondra antsika ho amin’izany ny filoha ho voafidy eo, afaka hampandry fahalemana sy hampanjaka ny fitoniana sy fiadanana eto amintsika”, hoy izy tao amin’ny RDB, omaly. Nirary ny rehetra ny tenany mba hitondra fiadanana izao fankalazana ny fetin’ny Noely izao. Niara-nankalaza izany fahaterahan’i Jesoa izany amin’ireo mpino kristianina  tao Paris, Frantsa ny tenany ny andron’ny 25 desambra teo.

Tsiahivina fa efa nanao fanambarana tsy mifanalavitra amin’izany ny arsevekan’Antananarivo, afakomaly ary niantso ho amin’ny fihavanana sy ny tsy hisehoan’ny herisetra ary koa ny hijerena ny hafa, hifampizarana ny kely ananana. “Hahay hifehy tena… Hiainantsika ny finoana mba hitondra hetahetam-piovana”, hoy izy.

Synèse R. 

Les commentaires sont fermées.