Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Jery todika 2018: nifandirana ny lalàm-pifidianana… nolaniana tamin’ny kolikoly 

Jery todika 2018: nifandirana ny lalàm-pifidianana… nolaniana tamin’ny kolikoly 

Nanamarika ny taona 2018 ny fifandroritana sy ny fifandirana tamin’ny nandrafetana ny lalàna fehizoro mifehy ny fifidianana; eny, na nambaran’ny fitondram-panjakana tamin’izany mandrakariva aza fa efa roa taona mialoha no nanomanana azy. Ranolava ny fakan-kevitra niarahan’ny Ceni tamin’ny antoko politika, firaisamonina sivily…

Anisan’ny nahabe adihevitra tamin’izay fandrafetana ny volavolan-dalàna fehizoro mifehy ny fifidianana izay, ohatra, ny amin’ny fotoana mialoha ny tena fampielezan-kevitra, ny fangaraharahan’ny loharanom-bola sy ny fampiasam-bolan’ny kandidà mandritra ny fampielezan-kevitra, ny famerana ny vola ampiasaina amin’izany…

Na izany aza, nataon’ny fitondram-panjakana ankifonofono tanteraka ny raharaha. Raha nisy, ohatra, ny fampihaonana ireo mpisehatra rehetra tamin’izany: soritsoritra ankapobeny fotsiny no nasehon’ny fanjakana momba ny volavolan-dalàna, fa tsy izy manontolo efa manana endrika volavolan-dalàna. Vokany, teraka ho azy ny fifandirana sy ny fanahiana.

Nolaniana tamin’ny kolikoly ny lalàm-pifidianana

Niteraka resabe sy fifandroritana ny kolikoly 50 tapitrisa Ar isan’olona, noraisin’ireo depiote mpomba ny fitondrana teny amin’ny Paon d’Or, Ivato, ny 31 marsa. Ny praiminisitra niaraka tamin’ny filohan’ny Antenimierampirenena no namory azy ireo, ary tsy nambara mazava izay tena antony nitaterana azy ireo tamina fiarabe manokana ho eny.

Na izany aza, nisy naka sary ny amin’izay fizarana kolikoly izay. Nefa tao no nidrikina fa sary efa lany, hono, no hoe porofo. Tonga hatramin’ny fandrahonan’ny depiote iray fa hanao valin-kitsaka amin’ny fitoriana izay manendrikendrika izy ireo, raha tsy mahita porofo ny Bianco. Saingy nivadika palitao io depiote io taty aoriana.

Tsy hita mazava izay tohiny sy niafaran’ny fanomezan’ny fahefana mpanatanteraka kolikoly ny depiote mpomba ny fitondrana. Lany tamin’ny amboletra ny lalàm-pifidianana. Na izany aza, tsy nanaiky ireo depiote 73. Nitaky ny hamerenana ny fandaniana ny lalàm-pifidianana izy ireo, nitory eny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC).

R. Nd.

Les commentaires sont fermées.