Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hetsika etsy amin’ny 13 mey: haka fanapahan-kevitra  ny OMC

Hetsika etsy amin’ny 13 mey: haka fanapahan-kevitra  ny OMC

Ho tonga hatraiza indray ity raharaha ity ? « Mbola hampivory ny OMC, ahitana ny zandary sy ny polisy ary ny miaramila miaraka amin’ny eo anivon’ny faritra izahay ary hanao fanambarana aorian’izany », hoy ny prefet an’Antananarivo, ny Jly Ravelonarivo Angelo, omaly raha nantsoina an-telefaonina. Nanteriny fa tsy mbola naharay fangatahana ny hetsika kasain’ny K25 hatao etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey ny asabotsy izao ny prefektiora. “Tsy maintsy hisy ny fepetra horaisina manoloana izany fa tsy misy raharaha mandeha ho azy amin’izao izany eto”, hoy ihany izy.

Tsiahivina fa nandrangaranga ny ho eny an-kianja ny mpomba ny kandidà Ravalomanana amin’io fotoana io ka hanitrikitrika ny resaka kolikoly amin’ny endriny rehetra eto amin’ny firenena, indrindra tamin’ny fifidianana. Hiantsoan’izy ireo ny rehetra nahita sy manana porofo ary koa niharan’izany ny hetsika hatao amin’ny asabotsy io.

Randria

Les commentaires sont fermées.