Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Harena an-kibon’ny tany: nampidi-bola be indrindra teto Toamasina

Nihaona tamin’ny mpanao gazety ny talem-paritry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny akoranafo eto Toamasina, i  Amable André Benjamin, ny alakamisy 20 desambra teo. Notsoriny fa tsy nitsanga-menatra ny sampandraharaha niadidiany raha ny zava-bita ny taona 2018 teo, satria anisan’ny nampidi-bola be indrindra ho an’ny kitapom-bolam-panjakana sy ny sampandraharam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany aty amin’ny faritra Atsinanana. Vokany, entina hampitaovana ny mpiasa amin’ny taona ho avy izany zava-bita izany mba hampirisika azy ireo hiasa tsara kokoa.

Nizarana fanomezana ihany koa ny mpiasa sy ny ankohonany tamin’io fotoana io, hanamarihana izao fetin’ny faran’ny taona izao, endriky ny nofon-kena mitam-pihavanana.

Sajo sy Njaka A.

Les commentaires sont fermées.