Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Happy Women –Andraharo: tsy manadino ireo fianakaviana sahirana

    Happy Women –Andraharo: tsy manadino ireo fianakaviana sahirana

    Tsy hadinon’ny Fikambanam-behivavy  Happy Women, miasa ao amin’ny Novo-Comm, ireo fianakaviana sahirana ao amin’ny fokontany Andraharo. Sarotra ho an’ny ankamaroan’ny mponina, indrindra ireo sahirana ny  mandalo vanim-potoan’ny Noely sy ny faran’ny taona. Tsy manan-katolotra ho an’ireo zanany ny ray aman-dreniny.

    Izay nahatonga ny Fikambanana Happy Women niaraka tamin’ny Star, nitodika tamin’ireo fianakaviana sahirana ireo, ny 21 desambra lasa teo tao amin’ny biraon’ny Novo-Comm, eny Andraharo. Izay fiarahan’ny roa tonta izay, nahazoan’ireo fianakaviana maherin’ny 50, nifaly nandritra ny fetin’ny Krismasy.

     « Eo ireo kilalao nozaraina tamin’ny ankizy, azo lazaina tsy maharesy ny fahantrana, fa ny zava-dehibe ny fiombonam-po sy saina amin’ireo olona sahirana ara-bola ireo », hoy ny filohan’ny fikambanana, Rakotoarivelo Felana.

    Nanokana fotoana nifampizarana hafaliana tamin‘ireo olon-dehibe sy ankizy isam-pianakaviana ny Happy Women. Samy nahazo izay tandrify azy avy ny isam-pianakaviana : kilalao ho an’ny ankizy sy ireo zavatra ilaina andavanandro (PPN) fampiasa any an-tokantrano, niampy fanentanana fampialàna voly azy ireo.  Namaranana ny fotoana ny fiarahana naka sary sy nanentanana ny rehetra tsy hanadino ireo mahantra, indrindra amin’ny fetin’ny Krismasy.

     

    R.Mathieu

    Les commentaires sont fermées.