Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Efa nigadra teny am-ponja: saron’ny polisy Ramiaramila sy ny namany

    Efa nigadra teny am-ponja: saron’ny polisy Ramiaramila sy ny namany

    Noraisim-potsiny Ramiamiramila sy ny namany, jiolahy isan’ny ikoizana amin’ny fanendahana eny amin’ny faritra Ankadifotsy. Efa nigadra ity jiolahy ity, saingy nanohy ny asa ratsiny indray taorian’ny fivoahana ny fonja…

    Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’Antaninandro teny Ankadifotsy, ny faran’ny herinandro teo ireo jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana tarihin-dRamiaramila sy ny namany. Araka ny fanazavan’ny polisy, resaka fanendahana miharo vonoan’olona no nisamborana ireto andian-jiolahy ireto. Telo lahy ry zalahy no nanendaka teo Ankadifotsy tamin’io fotoana io. Lasan-dry zalahy tamin’izany ny telefaonina finday sy ny vola 1 hetsy Ar an’ireo mpivady niharan’ny fanendahana. Afaka niantso vonjy ireto mpivady lasibatr’ireo jiolahy ka nifanehitra tamin’ny fotoana nandalovan’ireo polisy nanao fisafoana teny amin’iny faritra izany antso vonjy izany. Raikitra ny fifanenjehana ka tsy lasa lavitra dia voasambotra ny jiolahy iray isan’ny tompon’antoka tamin’ny fanendahana. Mbola hita teny amin’ilay jiolahy ny anjara volany avy nifampizarana niaraka tamin’ny antsy fampiasany rehefa manao ny asa ratsiny. Niainga avy amin’ity jiolahy voasambotra ity no nahafahana nisambotra ireo jiolahy dimy namany ka isan’izany Ramiaramila izay ikoizana amin’ny fanendahana eny amin’iny faritra Ankadifotsy iny. Nohamafisin’ny polisy fa ity Ramiaramila ity dia efa nigadra teny am-ponja, nandritra enim-bolana ary nivoaka ny fonja ny taona 2014.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.