Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ankadimbahoaka: hiakatra fitsarana ilay Karana

     Hiakatra fitsarana, anio 27 desambra, etsy Anosy ilay Karana, tompon’orinasa eny Ankadimbahoaka, namono mpiasa, ny volana jolay lasa teo. Misy raharaha faharoa miandry azy koa, famonoana mpiasa ihany koa nitranga, ny volana novambra teo. Anisan’ny mpiasa nametraka fitoriana Ranaivoson Christophe, nilazany fa « maro ny mpiasa tratry ny daroka sy vono, saingy tsy sahy mitory, satria matahotra ny ho very asa ».

    Lasa manana aretina torana matetika ity lehilahy, 52 taona, ity, taorian’ny vono nahazo azy ny 6 jolay teo. “Asa tsy nifanarahana tany am-boalohany no nampanaovina ahy, nandà izany ny tenako ka nanaovan’ny Karana miisa telo vono tambabe”, hoy izy. Tsy nahatsiaro tena izy ary efa tany ivelan’ny toeram-piasana vao hitan’ny mpiara-miasa.

    Nisy mpiasa efatra hafa niharan’ny vono, toy izao ihany koa, sahy mijoro vavolombelona. Manantena ny fitsarana tena hanao ny asany ireo niharam-boina, mba tsy hitohizan’ny tranga mpahazo ny mpiasa malagasy toy izao.

    Randria

     

     

    Les commentaires sont fermées.