Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Amin’ny distrika 13: 65 ny trangana pesta voamarina

Amin’ny distrika 13: 65 ny trangana pesta voamarina

Nanomboka ny 1 aogositra hatramin’ny 21 desambra lasa teo, nahatratra 65 ireo olona voamarina fa nahitana trangan’aretina pesta teto amintsika, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana. Pesta atoditarimo ny 54 raha pesta aretin-tratra kosa ny 11 ambiny. Amin’ireo olona 54, voamarina fa voan’ny pesta atoditarimo ireo, 45 efa manaraka fitsaboana eny anivon’ny tobim-pahasalamana, raha namoy ny ainy kosa ny sivy.

Raha mahakasika ny pesta aretin-tratra indray, marary iray no manaraka fitsaboana ary miisa 10 ireo olona izay voamarina fa nahitana ny trangan’aretina ka namoy ny ainy. 19 hatramin’izao ireo maty  noho ny aretina pesta.

Tsy niova ny isany fa mbola13 ny distrika ahitana ireo trangan’aretina voamarina fa pesta : Tsiroanomandidy, Manandriana, Befotaka, Ambalavao, Ambatofinandrahana, Midongy Atsimo, Miarinarivo, Ambositra, Anjozorobe, Faratsiho, Ankazobe, Moramanga, ary Betafo.

Nanambara ny minisiteran’ny Fahasalamana fa raha misy tranga mampiahiahy, tsy tokony hisalasala manatona avy hatrany ny toeram-pitsaboana na miantso maimaimpoana ny laharana maitso 910 maka torohevitra.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.