Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

67ha: tovolahy nifamono tao amin’ny bar

67ha: tovolahy nifamono tao amin’ny bar

Maty teny an-dalana hihazo ny hopitaly ilay tovolahy nifamono tao amin’ny trano fisotroana zava-pisotro misy alikaola eny amin’ny faritra Antsalovana 67 ha, ny faran’ny herinandro teo. Araka ny fanazavan’ny polisy, nitsangana namonjy trano fivoahana ny tovolahy iray. Rehefa tafaverina avy any anefa izy dia gaga fa tsy teo intsony ny seza nitoerany fa efa nipetrahan’olon-kafa. Tezitra noho izany izy ka raikitra ny fifamaliana ary tamin’izay fotoana izay no nandraisany seza ka novelesiny tamin’ny seza ilay tovolahy naka ny toerany. Nianjera avy hatrany tamin’ny tany ilay tovolahy niharan’ny kapoka tamin’ny seza. Tsy nahatsiaro tena avy hatrany ilay tovolahy ka nentina haingana teny amin’ny HJRA, saingy tsy avotra intsony ny ainy. Rehefa nahare izany ireo olona tao amin’ilay toeram-pisotroana dia novelesin’ny olona tamin’ny seza namonoany olona ihany koa ilay tovolahy nahavanon-doza. Tonga teny an-toerana, ny polisy avy ao amin’ny PPA Antaniavo izay nitondra azy eny amin’ny polisin’ny BC4 hanohizana ny fanadihadiana.

J.C

Les commentaires sont fermées.