Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tambanjotrana mpangalatra moto: lasibatry ny jiolahy ny motoana polisy

Tambanjotrana mpangalatra moto: lasibatry ny jiolahy ny motoana polisy

Ravan’ny polisy avy eny Tanambao bazary kely izay tarihin’ny kaomisera, Razafindahy Manitra Fleurys, ireo tambanjotrana jiolahy mpangalatra moto, nahasamborana telo lahy.

Jiolahy efa nikoizan’ny maro amin’ny fanafihana mitam-piadiana, fanendahana sy vonoan’ olona, vaky trano isan-karazany ireo. Tamin’ny alalan’ny fahazoan’ny polisy antso tamin’ny tsara sitra-po  no nahavoasambotra azy telo lahy.  Tao Morarano no voasambotra voalohany i Faly, ny alakamisy 20 desambra teo ary nahitana moto ana polisy iray very efa telo volana lasa, sy antsibe. Nitohy ny fikarohana sy famotorana ka tratra ny namany ary nahitana moto iray hafa izay mbola ana polisy ihany.  Nahitana bala fampiasa amin’ny basim-borona sy poleta tany amin’izy ireo . Nandritra ny fanadihadina nataon’ny polisy no nahalalana fa mbola tsy latsaky ny  dimy ny moto ana polisy very mbola karohina fatratra raha efa anjatony kosa ny an’ ireo olon-tsotra, araka ny fametrahana fitarainana voarain’ny polisy.

Sajo

Les commentaires sont fermées.