Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

NV Production: hisantatra ny seho miaraka amin’i Lôla sy i Mijah

NV Production: hisantatra ny seho miaraka amin’i Lôla sy i Mijah

Vitsivitsy ihany ireo hetsika ankalamanjana amin’izao ankatoky ny fetin’ny krismasy izao. Singanina amin’ireo vitsivitsy ireo ny fampisehoana iarahana amin’i Lôla sy i Mijah, rahampitso tolakandro, etsy amin’ny tokotany malalaky ny Ekar NDR Antohomadinika. “Fety be Faradoboka 2018” ny lohatenin’ny hetsika, azo lazaina ho goavana indrindra, taorian’ny fifidianana.

Mpanakanto samy hafa, mitondra mozika samy manana ny maha izy azy ary Samy manana ny mpankafy azy, i Lôla sy i Mijah. Araka izany, tanjon’ny mpikarakara, ny NV Production, ny hanome fahafinaretana ny sokajin-taona rehetra. Nambaran’i Nivo, avy amin’ny mpikarakara ny fety fa hisy zavatra tsy ampoizina hasehon’i Lôla sy i Mijah amin’io.

Ity ny hetsika voalohany karakarain’ny NV Production eto an-dRenivohitra raha tany amin’ny faritra tany hatrany no niasany hatramin’izay. Io ihany koa no hetsika entiny mamarana ny taona. Maro ny seho efa ketrehiny, amin’io taona 2019 ho avy io, na any amin’ny faritra izany na eto Antananarivo. Tsara ny manamarika fa entina indrindra hanampiana ny fikarakarana ny fiangonana Ekar Anjanadoria, any Mahitsy, ny vola azo amin’ity fampisehoan’i Lôla sy i Mijah ity.

Landy R.

 

Les commentaires sont fermées.