Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Kitra any Frantsa: mpilalao mendrika i Mbappé

    Kitra any Frantsa: mpilalao mendrika i Mbappé

    Notendren’ny gazety boky France Football ho mpilalao baolina kitra frantsay mendrika ho an’ny taona 2018, i Kyllian Mbappé. Natolotra azy, ny alatsinainy, 24 desambra, ny amboara Raymond Kopa sy ny fankasitrahana manambara fa izy no mpilalao tanora, tamin’ity taona efa madiva hifarana ity.

    Raha tsiahivina, 20 taona ny tovolahy ary lohalaharana, ao amin’ny Paris St Germain, izy. Anisan’ny nampisongadina azy, ny zava-bitany nandritry ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany “Mondial 2018”, notanterahina tany Rosia ka nandrombahany ny amboara volamena, niaraka tamin’ny Les Bleus. Voahosotra ho mpilalao mendrika ihany koa izy, tamin’io. Ankoatra izay, efa nahazo anaram-boninahitra maro, tao Frantsa, i Mbappé sy ny PSG. Izy izany, no nandimby an’i N’Golo Kanté.

    Marihina fa nitana ny laharana faharoa sy fahatelo, tamin’ity fifaninanana ity, Raphael Varane sy i Antoine Griezmann, samy nahazo ny “Mondial 2018, niaraka tamin’i Mbappé.

     

    Tompondaka

    Les commentaires sont fermées.