Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hosodoko: raikitra ny « Fangaro »

Hosodoko: raikitra ny « Fangaro »

Fampirantiana anisan’ny goavana indrindra eo amin’ny tontolon’ny hosodoko ny « Fangaro » satria « any ho any amin’ny 100 mahery ny tabilao hiranty sy hamidy eny an-toerana », hoy i Nary Arthur, iray amin’ireo mpandray anjara. Nosokafana ny 24 desambra teo, tao amin’ny Tahala rarihasina Analakely ny « Fangaro » hanehoan’ireo mpanao hosodoko maro ny sanganasany. Araka io anarany io, « maro izahay no mampiranty ny tabilaony ao… Noho izany, ahitana fifangaroana fomba fanaovana sary isan-karazany ny « Fangaro » », hoy hatrany izy.

Ankoatra ny maha fampirantriana azy, nanterin’i Nary Arthur hatrany fa kendrena ao anatin’ity « Fangaro » ity ihany koa ny hisarika ny rehetra mba hitodika amin’ny sary hosodoko. « Azo atao fanomezana tsara izy ireny amin’izao faran’ny taona izao. Fanomezana fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao izay ho avy tsy ho ela rahateo ihany koa », hoy hatrany i Nary Arthur.

Anisan’ny mandray anjara amin’izao varotra sy ranty izao i Naivo Haja, i Rodolphe, i Rama, i Moïse, sns. Marihina fa tsy hifarana ny « Fangaro » raha tsy ny 15 janoary ho avy izao.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.