Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiatrehana ny fety: voaravaka ny tanànan’i Toamasina

Fiatrehana ny fety: voaravaka ny tanànan’i Toamasina

Vita ny fifidianana izay ho filoham-pirenena fihodinana faharoa, nifarana hatreo koa ny tabataban’ny fampielezan-kevitra, hiditra indray amin’ny fiainana andavan’ andro sy ny fiatrehana ny fety isan-karazany ny vahoaka. Noho izany indrindra, tsapan’ny rehetra fa tsara fisokafana tamin’ny fomba ofisialy, ny herinandro lasa teo, ny fety be izay nokarakarain’ny orinasa tsy miankina, Rasolo export sy ny  fikambanana Tamiagna, tarihin’ny mpandrindram-paritra, i Sabotsy José. Nandritra ny lanonam-panokafana ofisialy tetsy anoloan’ny Lapan’ny Tanàna teo no nilazan’ny mpandrindram-paritra fa vita ny resaka politika ary tsara raha miala voly sy miatrika fety amin’izay ny tsirairay  sady hiandry am-pitoniana ny voka-pifidianana. Raha ny hita etsy anoloan’ny Lapan’ny Tanàna amin’ ireo haingo sy fandravahana ny tanàna, tsy nisy toy izao, hatramin izay, ny endrik’ i Toamasina. Amin ‘izay maha fety be azy izay, mahatratra  ampolony ny fiara sy moto hozaraina amin’ny alalan’ny tombola amidy, hatramin’ny alahady famaranana ny lanonana. Misy kilalao anarivony koa ho an’ny ankizy ary tsy  latsa-danja ny fampisehoana an-tsehatra ataon’ ireo mpanakanto maro samihafa.

Sajo

Les commentaires sont fermées.