Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Famonoana teratany Frantsay: voasambotry zandary ireo olona efatra nahavanon-doza

Famonoana teratany Frantsay: voasambotry zandary ireo olona efatra nahavanon-doza

Tsy niandry ela fa  nahitam-bokatra ny momban’ny famonoana an’ i Bret Mario Auguste, 69 taona, tany Toamasina. Tratran’ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena misahana ny fikarohana sy heloka be vava izay tarihin’ny komanda, Rajaohasina Délson Andrien ireo olon-dratsy nahavanon-doza miisa efatra mianadahy. Raha ny fanazavana, ny 18 desambra teo tonga tany Toamasina, raha avy tany amin’ny nosy La Réunion ilay vazaha, ity farany izay zandary misotro ronono Frantsay.

Manana sakaiza malagasy miisa roa ao Toamasina izy io ary samy hiatohany tranovato  sy sakafo ary fiainana andavan’ andro avokoa. Tamin’ny 18 desambra, nivantana tamin’ilay iray voalohany ny tenany, ary ny 19 desambra, nilaza tamin ‘ity voalohany fa ho any amin’ ilay faharoa indray. Izy roa vavy rahateo mifankahalala tsara. Tsy tafody intsony ny 20 desambra fa hita faty teny amoron-dranomasina. Nahitana tararasy teo akaikin’ny razana ka niainga teo ny famotorana. Fantatra fa ilay vadikely faharoa no nahavanon-doza. Tratran’ilay vazaha naira-nisotro sy nidoroka tamin’ny lehilahy hafa izy io, ka teo no raikitra ny ady. Novonoin’ireo ilay vazaha ary nofonosina natao anaty arimoara ary natsipy teny amoron-dranomasina. Niaiky ny heloka nataony izy efatra ary atolotra ny fampanoavana.

Sajo sy Yves S.

Les commentaires sont fermées.