Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

FAKAFAKA: nivadika ho finoana ilay fahalalana !

Ny fidiran’ny fivavahana kristianina teto Madagasikara no nahatonga ny Malagasy hanamarika ny Noely. Niezaka ny nandresy lahatra ny Malagasy izy ireo. Tamin’ny alalan’ny Baiboly sy ny fanazavana izany isan’andininy. Teo ihany koa ireo fomba amam-panao novimbinin-dry zareo niaraka taminy, sns. Nandaitra ny fampianarana !

… Nanjary nivadika ho finoana avokoa ny ankamaroan’ny fahalalana nananan’ny Malagasy. Nahalala ny fisian’Ilay Nahary (Zanahary) eo an-tampon’ny lohany izy, ka nivavaka taminy. Natahotra sy nitandrina fatratra ary nanaja Azy sy ireo zavaboahary nohariany. Nitsimbadika izany taty aoriana (lasa finoana ilay fahalalana), ka nanjary nipoitra ny fanontaniana : « Inona ny finoanao » ? « Mino an’Andriamanitra ve ianao » ?

Fa angaha ve inoana na tsy inoana ny fisian’i Zanahary e ? Ho an’ny « sasany » izany fa tsy ho an’ny Malagasy. Efa tany ambadik’Imanareza no nahalalan’ny Malagasy fa misy Zanahary !

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.