Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ceni: “Tsy hanova ny voka-pifidianana ny fampitahana”

Ceni: “Tsy hanova ny voka-pifidianana ny fampitahana”

“Tsy midika hoe hanova ny voka-pifidianana ny Ceni amin’ny fampitahana ny voka-pifidianana ao anatin’ny fitanana an-tsoratra (PV) eo anivon’ny Ceni. Satria tsy manana izay fahefana izay ny Ceni? Ny fanamarihana ao anatin’ny fanapahana izay hamoahana ny voka-pifidianana vonjimaika no ampidirana izay fanamarihana izay vokatry ny fampitahana.”

Io ny fanazavan’ny filoha lefitry ny Ceni, Andriamanantsoa Philibert Hervé, teny Alarobia, ny faran’ny herinandro teo, tamin’ny fanomanana ny fanaovana fampitahana voka-pifidianana vonjimaika sy ny endriky ny fampitahana ary fandaminana ny fanapahana an-tsoratra amin’izany.

Niisa 55 ny PV nentin’ny solontenan’ny kandidà lah. 25, Ravalomanana Marc, nanaovana fampitahana, ny faran’ny herinandro teo. Nefa najanon-dry zareo izany rehefa vita ny fampitanana miisa enina, rehefa hita fa nitovy avokoa ireo PV. Nilaza mbola hiverina hanao fampitahana izy ireo.

Nifanaraka 100% ny PV nanaovana fampitahana

Nifanaraka 100% ny tany amin’ny solontenan’ny kandidà sy ny teo anivon’ny Ceni ireo PV enina nampitahaina ireo. “Manokatra varavarana lalandava ny Ceni amin’izany hoe fiantohana ny fangaraharana eo amin’ny fikirakirana voka-pifidianana”, hoy ny filoha lefitry ny Ceni.

Araka ny voalazan’ny lalàna, manohy hatrany ny fikirakirana ny voka-pifidianana ny Ceni. Satria misy fetrandro atoron’ny lalàna amin’ny fikirakirana voka-pifidianana izany eo anivon’ny Ceni, araka ny fanazavany. Mba hahazoana manaja antsakany sy andavany izany tetiandro omen’ny lalàna izany, mitohy hatrany ny asa.

Fanamarihana ihany no azon’ny Ceni atao, fa tsy maintsy mamoaka ny voka-pifidianana vonjimaika hatrany ry zareo amin’ny alalany PV eo an-tanany. Ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) no manana fahefana hanamarina ny PV.

Rahampitso tolakandro no havoakan’ny Ceni amin’ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana vonjimaika feno.

R.Nd.

 

Les commentaires sont fermées.