Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Asa sosialy: mpianatra 93 hisehatra avy hatrany

Asa sosialy: mpianatra 93 hisehatra avy hatrany

Namoaka mpianatra miisa 93 ny sekoly ambony manofana momba ny asa sosialy, ISTS Mandriamena Andoharanofotsy, ny 21 desambra teo. Marihina fa anisan’ireo sekoly ambony katolika ity ISTS ity. Miisa 81 ny nahazo ny mari-pahaizana lisantsa amin’ny andiany 12 Vaniala, ary 12 kosa ny nahazo ny mari-pahaizana Master (Bacc+5).

Hisehatra amin’ny asa avy hatrany ireo mpianatra nahazo diplaoma ireo. Hiasa amin’ny asa sosialy izay nifotoran’ny fiofanana azon’izy ireo. Ity sehatr’asa ity izay manomboka mahazo vahana eto amintsika, raha somary tsy nisy nahafantatra tany aloha. Miasa eny anivon’ny ONG na tetik’asa misehatra amin’ny sosialy matetika ireo nahazo ny mari-pahaizana avy amin’ny ISTS. Miara-miasa akaiky amin’ny ONG RTM (Reggio Terzo Mondo) izy ireo. Marihina fa ONG iraisam-pirenena misehatra amin’ny asa sosialy, miasa an-tsitrapo ary mifototra amin’ny maha kristianina ny RTM. Efa nahatratra 1.500 ny isan’ny mpianatra nivoaka tao amin’ny ISTS. Tamin’ny 1960 niforonany, ka ny “Congrégation Filles du Cœur de Marie » no nanangana azy tamin’izany.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.