Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Andrianainarivelo Hajo: « Halaviro ny fihantsiana… »

Andrianainarivelo Hajo: « Halaviro ny fihantsiana… »

Niarahaba sy nirary soa ho an’ny vahoaka malagasy, tahaka ny efa fanaony isan-taona ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo. Notsiahiviny fa tanteraka soa aman-tsara iny ny fifidianana fihodinana faharoa, hametraka ny nofinidintsika ho filoha hitantana sy hitondra ity firenentsika ity. « Aoka samy hiandry am-pitoniana ny vokatra ofisialy amin’izany isika ka hanalavitra ny fifampihantsiana sy ny savorovoro. Tsy mendrika korontana sy adilahy politika intsony i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy fa efa miandrandra fiovana sy fivoarana ary fandrosoana”, hoy ny hafatra fohy nataony ao amin’ny tambajotran-tserasera, omaly.

Tsy nohadinoiny ny niarahaba ny rehetra mpiray tanindrazana sy ny nirariany fety sambatra ho antsika rehetra. “Mba ho krismasy hitondra famonjena ho an’ny firenentsika sy ho antsika anie ity krismasy ity. Samy ho tahian’Andrimanitra ka samy hahatratra soa ny faran’ny taona 2018 sy ny fahatongavan’ny taona vaovao 2019 ihany koa”, hoy ihany izy.

Namaranany izany ny teny filamatry ny antokony : « Izay manoro làla-mahitsy manome aina”.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.