Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mba tsy handalo fotsiny ny hoe Krismasy… 

Mba tsy handalo fotsiny ny hoe Krismasy… 

Tonga olombelona ny zanak’Andriamanitra hahatonga zanak’Andriamanitra ny olombelona. Mby ao an-tsaina hatrany izay amin’izao Krismasy izao: fahatsiarovana ny nahaterahan’i Kristy, Tompo sy Mpamonjy. Mpamonjy no teraka ho antsika, araka ny finoana kristianina: tonga hitory ny Vaovao mahafaly na ny Filazantsara, nanolo-tena hisolo voina ny zanak’olombelona teraka tao amin’ny ota, nandresy ny fahafatesana, hitondra famonjena sy fiainana mandrakizay…

Araka izany, tsy tokony handalo fotsiny ny Krismasy: fisaintsainana, fakana bahana, fiaingana vaovao… Ahoana na aiza ho aiza ny fiainam-panahy? Mitondra inona izao Krismasy izao eo amin’ny tena, na ny tokantrano, na ny fiarahamonina, na ny firenena… Eny, na ho an’ny tsy kristianina aza: amin’ny lafiny iray, efa zary fanaovana hetsika sy fetin’izao tontolo izao aza ny hoe Krismasy ho an’ny sasany. Fanararaotana amin’ny fitadiavana, fialan-tsasatra, fanaovan-danonana…?

Mba tonga inona na aiza ho aiza, hono, isika amin’izao Krismasy izao? Eo, ohatra, ny toe-draharaha mila fitandremana sy fahamailoana fatratra lalovan’ny firenena izao. Mba mila fitoniana sy filaminana tanteraka kosa ny vahoaka ifotony; eny, na eo aza ny fahasahiranana efa ho lava. Zava-dehibe izay fitsaharana anaty izay ho an’ny tsirairay, ialàna amin’ny karazana enta-mavesatra sy ny zioga rehetra. Mba tena hisy tsirony sy dikany ny hoe miaina sy ny fiaraha-miaina.

Raha mba misy tafatoetra sy lalim-paka ihany izay entin’ny hoe Krismasy izao izay, farafaharatsiny ahay, mba misy fiovana sy fanovana: eo amin’ny fomba fiaina sy fomba fiasa, ohatra, ny fiaraha-miaina, ny fiatrehana ny hoavy amin’izay… Tsy dodoria tsy misy famavany tsinona ny fiainana, mila fivoarana. Mitaky fandinihan-tena izany, fanapahan-kevitra, hetsika, firosoana… Tsy fotoan’izany izao? Te ho tonga inona na ho aiza marina isika? Alao hery…

Rafaly Nd.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique