Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Faran’ny taona Telma: mora ampiasaina ny M’Vola

    Faran’ny taona Telma: mora ampiasaina ny M’Vola

    Nanomboka ny taona 2010, antapitrisany ny mpanjifa Telma mampiasa ny fandefasana na fakana vola amin’ny alalan’ny M’Vola. Tsotra, mora ampiasaina ary tena azo antoka. Vao mainka nohamoraina izany amin’izao vanin’andro fetin’ny faran’ny taona izao, hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa. Ankoatra ny namantarana azy hatramin’izay, lasa poketram-bola mihitsy ny kaonty M’Vola. Azo atao, ankehitriny, ny misintona vola ao anaty kaonty M’Vola eny amin’ny fitaovana aotomatika, Dab, an’ny banky BFV manerana ny Nosy.

    Azo atao koa ny mandrotsaka vola, na mamindra ny vola M’Vola any amin’ny kaontin’ny mpanjifa manana kaonty BNI na BOA, na koa ny mifamadika amin’izany, izany hoe, avy any amin’ireo banky roa ireo arotsaka any amin’ny kaonty M’Vola.

    Mindram-bola mialoha

    Ho an’ny sahirana tampoka, azo atao tsara ny mindram-bola mialoha ao amin’ny M’Vola Avance, mitentina 1 000 Ar hatramin’ny 500 000 Ar, sambany misy eto Madagasikara. Arakaraka ny fivezivezen’ny vola miditra sy mivoaka ao anatin’ny kaonty M’Vola an’ny mpanjifa tsirairay ny tentimbidin’ny vola azo indramina mialoha.

    Hanampy ny olan’ny mpanjifa amin’izao fetin’ny faran’ny taona izao ireo voalaza rehetra ireo, na koa hanomanana ny fanomezana ho an’ny olona akaiky.

    Njaka A.

    Les commentaires sont fermées.