Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Look’s Andravoahangy: noraisim-potsiny ilay jiolahy nampiasa basy… kilalao

Look’s Andravoahangy: noraisim-potsiny ilay jiolahy nampiasa basy… kilalao

Nandamoka ny teti-dratsin’ity jiolahy saika hanafika tao amin’ny Look’s Andravoahangy. Tsikaritry ny olona fa hay basy kilalao no nandrahonany ny mpiasa mpikirakira vola. Raikitra ny fanenjehana ka voasambotra ny anao lahy.

Jiolahy iray 30 taona no voasambotry  ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’Antaninandro, ny talata hariva lasa teo teny Andravoahangy noho ny halatra mitam-piadiana. Araka ny fanazavan’ny polisy, tamin’io hariva io teny amin’ny Look’s Andravoahangy no nanatanteraka ny asa ratsiny ity jiolahy ity ary voasambotra teny an-toerana. Voalazan’ny tatitra nampitain’ny polisy hatrany fa mody nijerijery sy nitilitily lavidavitra teny amin’ny manodidina izy ka rehefa tsikariny fa tsy nisy olona nifamezivezy dia nampidiriny ny saron-tavany ka niditra avy hatrany tao amin’ilay trano fisakafoana izy. Navoakany ny basy kilalao sy antsy ka nambanany avy hatrany ny mpiasa mpikirakira vola ao amin’ilay trano fisakafoana. Tsikaritry ny mpiasa iray tao amin’ilay toeram-pisakafoana anefa fa tsy izy ilay basy nampiasainy ka nitsoaka avy hatrany ity jiolahy mpanafika ity. Raikitra ny fifanenjehana ka tratran’ny fokonolona teo akaikin’ilay trano fisakafoana ihany izy. Tonga haingana teny an-toerana ny polisy nitondra azy ho eny amin’ny kaomisarian’ny polisy mba hanaovana fanadihadiana. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.