Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nozarain’ny Airtel ireo loka lehibe Fun Quizz

Nozarain’ny Airtel ireo loka lehibe Fun Quizz

Nozarain’ny Airtel, omaly, ny loka lehibe Fun Quizz andiany faha-28. Telo volana ny faharetan’izany lalao izany, hitsapana ny fahalalana ankapoben’ny olona sy karazana fialam-boly ho azy ireo. Ankoatra ireo loka lehibe, azon’ireo mpampiasa tambajotra Airtel koa ny mifaninana mety hahazoana loka hafa madinika.

Ny loka voalohany nozaraina, fiarakodia vaovao Fiat, azon-dRtoa Raholivololona Andriantsilazaina ; faharoa, réfrigérateur, azon-dRatiarison Edege ; fahatelo, fahitalavitra (32 pouces), azon-dRazafimandimby Lucien Anselme ; fahefatra, ventilateur, azon-dRajaoson Lantoarijaona. Efa zatra milalao Fun Quizz ireo nahazo loka ireo ary manana traikefa amin’izany, araka ny fanazavana nomen’ny Airtel.

Nanomboka ny 6 desambra teo ny lalao manaraka andiany faha-29. Fandraisana anjara, mandefa “SMS” amin’ny laharana 033 56 000 30, handraisana ny fepetra rehetra sy hamaliana ny fanontaniana. Hahazoana isa 50 izay valim-panontaniana marina ; isa 10 izay tsy marina.

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.