Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nivoaka ny fonja ny volana jona: tratra nanendaka teny Isotry indray ireo jiolahy

Nivoaka ny fonja ny volana jona: tratra nanendaka teny Isotry indray ireo jiolahy

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny CSP4 Isotry teny Ambodifiakarana sy Ambalavao Isotry, ny alatsinainy hariva lasa teo ireo jiolahy efatra malaza ratsy amin’ny fanendahana eny amin’iny faritra iny. Efa nigadra teny Antanimora ary vao nivoaka ny fonja, ny volana jona teo ireto jiolahy ireto.  Raha ny fanazavan’ny polisy, nisy olona telo voaendaka teny Ambodifiakarana Isotry, tamin’io fotoana io, jiolahy efatra no tompon’antoka tamin’izany. Nambanan’izy ireo ny antsy ireto olona niharan’ny fanendahana ireto ary tsy vitan’izay fa mandratra sy mamono ihany koa ry zalahy. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny vola, telefaonina finday ary kiraro nentin’izy ireo. Niantso ny polisy ao amin’ny CSP4 avy hatrany ireto voaendaka. Nanao fanarahan-dia avy hatrany  ny polisy ka tratra ny jiolahy telo isan’ireo tompon’antoka tamin’izany. Nandritra ny fisavana nataon’ny polisy, hita teny amni’izy ireo ny kara-panondron’ilay olona voaendaka. Ny iray kosa efa nizotra nihazo an’Ambalavao Isotry ka noraisim-potsiny. Mbola hita teny aminy koa ny kiraro izay vao avy nendahiny. Nohamafisin’ny polisy fa isan’ireo jiolahy voasambotra sy voatifitry ny polisin’ny Uir teny Andavamamba, ny volana janoary 2018, ny iray amin’ireto voasambotra ireto.

J.C

Les commentaires sont fermées.