Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Manja: dahalo roa lahy maty voatifitry ny polisy

Manja: dahalo roa lahy maty voatifitry ny polisy

Rotiky ny balan’ny polisy nandritra ny fifanjevoana tao amin’ny fokontanin’Anjaha, 30 km miala an’i Manja, ny alatsinainy tamin’ny 3 ora maraina teo ny roa tamin’ireo dahalo tompon’antoka tamina fanafihana tao amin’io fokontany io. Dahalo miisa 10 nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no indray nanafika tao an-toerana. Nampandre ny polisy haingana ny tompon’omby ka raikitra ny fanarahan-dia, tratran’ny polisy ny dahalo roa lahy. Nentina tao Manja hanaovana fanadihadiana ireo dahalo roa lahy kanjo nitsoaka tampoka teny am-pandehanana ka nitifitra avy hatrany ny polisy ary lavo tamin’izany izy roa lahy. Mitohy ny fanarahan-dia ataon’ny polisy.

J.C

Les commentaires sont fermées.