Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mandroseza: tratra ilay jiolahy nanafika cash point teny Tsiadana

Mandroseza: tratra ilay jiolahy nanafika cash point teny Tsiadana

Saron’ny polisin’ny Uir sy ny CSP2 teny amin’ny lalamby By-Pass Andohan’i Mandroseza, ny herinandro teo ilay jiolahy 22 taona voarohirohy ho isan’ireo tompon’antoka tamin’ny fanafihana cash point teny Tsiadana Ankatso. Raha ny tatitra avy amin’ny polisy, vola 5 tapitrisa Ar niaraka tamin’ny telefaonina finday no lasan’ireo jiolahy miisa enina nanafika tamin’izany. Nampiasa basy PA roa ry zalahy nandritra ny fanafihana. Ny zoma 14 desambra 2018, nahazo antso ny polisin’ny Uir fa misy fanafihana kioska cash point eny Tsiadana. Tonga teny an-toerana ny polisy ka raikitra avy hatrany ny fanarahan-dia. Nahatsikaritra olona roa somary hafahafa anefa ny polisy teny amin’ny lalamby Mandroseza. Vao nahatazana ireo polisy ry zalahy dia nirifatra nitsoaka ary nisara-dalana. Raikitra ny fifanenjehana ka tratra ny iray. Hita tany aminy nandritra ny fisavana nataon’ny polisy ny basy PA iray. Basy vao avy nampiasaina io basy io ary mitovy tamin’ilay balana basy nipoaka teny amin’ny cash point voatafika teny Tsiadana. Nentina teny amin’ny polisin’ny BC5 Anosy nanaovana fanadihadiana ilay jiolahy ka tamin’izany no nilazany fa mpanao fanafihana izy.

J.C

Les commentaires sont fermées.