Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kalo an-gitara: hiray sehatra i Raïssa, i Yves Sakaiza ary i Sefo Nono

Kalo an-gitara: hiray sehatra i Raïssa, i Yves Sakaiza ary i Sefo Nono

Efa manomboka tsikelikely ny lanonana sy seho manana endrika famaranana ny taona. Samy vonona ny haneho ny maha izy azy avokoa ny mpanakanto rehetra. Ao ireo efa zatra miaraka fa tsy vitsy ihany koa ireo hampiray talenta anatina vanim-potoana iray.

Revy akostika izay hanomezana lanja  ny zavamaneno maivana, toy ny gitara, ny sodina, ny kabôsy. Izay no hoentin’i Raïssa sy i Yves Sakaiza ary i Sefo Nono an-sehatra, ao amin’ny Karibotel Analakely, anio alina, hanomboka amin’ny 9 ora. Hanome lanja kokoa ny vazo kaiamba, izay nomarihin’izy ireo fa amin’ny fomba miavaka sy tsy mbola fandre na fahita hatramin’izay, izy telo mianadahy.

Na izany aza, tafapetraka hatrany ny maha vazo kaiamba ireo hira, araka ny fampanantenan’ireo mpanakanto ireo hatrany. Loko vaovao io ary hoezahina ny hitondrana azy amin’ny sehatra hafa hatrany. Hifanakaiky kokoa ny mpijery sy ny mpilalao amin’io alina io ka afaka mangataka izay mahafinaritra azy ny rehetra.

Tsy voaferatra, araka izany, ny fotoana fa ny fahafaham-po amin’ny fianohana ilay kanto ifampizarana no zava-dehibe. Ankoatra ny fanaovana ny hiran’ireo mpiangaly mozika kaiamba anefa, hisy ihany koa ny fifandimbiasana sehatra amin’ny fanaovan’ny tsirairay ny hirany.

Raha ho an’i Raïssa manokana, mampiavaka azy ny famelomana indray ireo hira gasigasy sy akostika, laroina mozika jazz. Ankoatra io fotoana rahariva io, mbola hisy ny fiarahan’ny tarika Sakaiza sy i Raïssa, ny 29 desambra, saingy tsy eto an-dRenivohitra fa any Toamasina any. Marihina moa fa zanak’i Yves Sakaiza ihany i Raïssa.

Landy R.

 

Les commentaires sont fermées.