Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

PM Ntsay Christian: “Mitaky fitoniana isika”

PM Ntsay Christian: “Mitaky fitoniana isika”

“Mitaky fitoniana ny Malagasy. Mba tsy misy afa-tsy ny vahoaka malagasy mpifidy no handresy amin’izao fifidianana izao. Izay ihany ny zava-dehibe”, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian, teny Androhibe, omaly, taorian’ny latsa-batony, momba ny fisian’ny fanambarana hoe nanindry ny lehiben’ny distrika amin’ny fiatrehana ny fifidianana filohan’ny Repoblika, fihodinana faharoa. Efa tapitra ny fampielezan-kevitra ka tomponandraikitra amin’ny fanambarany izay nanao izany.

Mino sy manantena izy fa hijanona ao anatin’ny fitoniana, indrindra hitantana ny zavatra ataon’ny olona, ireo tomponandraikitra amin’ny ankapobeny. Ao ambadik’izany: mandray andraikitra amin’ny trangan-javatra rehetra amin’izay tandrify ny fanjakana ny fitondrana. Rafitra napetraka mba hahaleo tena eo amin’ny fanomanana sy fikarakarana ny fidianana ny Ceni, mandray andraikitra koa.

Ao anatin’ny fangaraharana ny fifidianana  

Ao anatin’ny fangaraharana tanteraka no nanaovana ny fifidianana fihodinana faharoa. Manao antso avo hatrany amin’ny vahoaka malagasy izy amin’ny fandraisana andraikitra ao anatin’ny fitoniana. Mba hijery amin’ny sehatra rehetra izay zavatra tokony hokianina, indrindra ny tokony hovaina. Zava-dehibe ny fampanjakana ny fahamarinana sy ny fahitsiana amin’izao fifidianana fihodinana faharoa izao.

Antenainy fa hilamina hatrany ny vahoaka malagasy ary hisy hatrany ny fandriampahalemana eto amin’ny tanin’ny Repoblika malagasy amin’izay andro lehibe nanaovana ny fifidianana fihodinana faharoa izay.

R.Nd.

 

Les commentaires sont fermées.