Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nanafatrafatra ny filohan’ny FJKM

Nanafatrafatra ny filohan’ny FJKM

Nahitsy tamin’ny fanehoan-keviny ny filohan’ny FJKM, Andriamahazosoa Irako Ami, amin’ny niatrehana ny fifidianana filoham-pirenena, omaly. Nametraka hafatra fito ny tenany. Navoitrany tamin’izany ny tokony hivavahana satria manova zavatra ny vavaka. “Tsy mivavaka fotsiny anefa fa miala amin’ny ratsy fanao satria tsy ahafahan’ny firenena mandroso izany”, hoy izy. Nentaniny koa ny mpifidy hanefa ny adidiny nefa koa nohafarany ny amin’ny tsy tokony hanaovana vato fotsy. “Roa ireo kandidà fa tsy misy ny kandidà fahatelo vato fotsy… Arovy ny fahamarinan’izao fifidianana izao”, hoy ihany izy. Teo amin’ny hafatra fahenina ny nilazany fa ataovy ny azonao atao ary matokia an’Andriamanitra amin’ny tsy vitanao. Hafatra fahafito sady lehibe indrindra : “ekeo ho filohan’ny Malagasy ny ho voafidy eo ary hitahy azy amin’ny asa tsara ataony anie Andriamanitra. Hananatra sy hanitsy amin’ny hadisoana mety ataony satria olombelona ihany izy. Andriamanitra koa anefa hikapoka azy mafy amin’ny fahotana sy ny ratsy hanaovany fanahy iniana eto amin’ity firenena ity”, hoy ny filohan’ny FJKM.

Synèse R. 

 

Les commentaires sont fermées.