Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: miainga any ny rivo-pahatezerana

Mifampiarahaba ny vahoaka nahavita adidy, arahabaina ihany koa izay voafidy notsongoina anivon’ny mpifaninana maro. Mety ny fifampiarahabana atao hitsenana fe-potoana izay antenaina hitondra rivo-baovao. Fiovana sy fanovana no heverina hany fomba ahafahana misedra ny rivo-pahatezeran’ny vahoaka izay manomboka mitsoka any amin’ny firenena any ivelany. Sao eo amin’ny tsy ampoizina ary efa manonja ny fifofofofony vao hikoropaka ka tsy hahita fomba anakanana ny tosika.

Na tsy manainga herisetra toy ny ady an-trano aza ny fahatezeram-bahoaka tazana ankehitriny any ivelany dia mampikatso ny fizotran’ny sampana maro anivon’ny fiarahamonina, manozongozona ny sainan’ny mpitondra manery ny rehetra handinika fanovana famindra. Araky ny fisehon’ny raharaha na any amin’ny firenena mandroso aza maro ireo olona anatin’ny sokajin’ny tsy nahazo anjara tamin’ny fandrosoana. Adino sy voahilika ka tafajanona any aoriana, noheverina ho fahalemena ny fahanginany hatry ny ela. Noho ny fitongilan-dratsin’ny rafitra tsara tetika, fandaminana ny fiangarana niitatra hatrany ny hantsana manelanelana an’ireo adinon’ny fandrosoana sy iretsy mpisitraka ny vokany.

Tsara vintana izay filoha vaovao voafidy eo. Eo am-pandraisana andraikitra dia efa mahataratra avy any ivelany ny mety ateraky ny fitantanana mitongilana. Tsy ho voafehy tsy hiampita rano ka tsy hananika eto amin’ny nosy izany toe-tsaina manosika vahoaka hanana fahasahiana handrava ny fefy mifehy azy ao anatin’ny fahanginana sy ny fitazam-potsiny ny firiariavan’ireo harena voarara tsy ho kasihiny. Mialoha ny ahatongavan’ny vahoaka hihoa-pefy ka hirongatra avy ao amin’ny vala-pahasahiranana sy lasin’ny fahantrana nanatobina azy dia efa afaka mikaroka saha maitso sy tany hanorenam-pangady ho hasaina sy hamokaran’ny sahirana, ahafahany mamelon-tena araky ny ampy ka ho tapitra eo ny fiononana amin’ny fihinanana an’izay kely voatsimpona na ny fivelomana amin’ny hataka.

Toy ny zava-drehetra manam-petra ny fandeferana sy ny fanginana. Rehefa noana ny tena tsy hay no tsy hanaikitra ny tànana manampina ny vava tsy handrapaka. Ny voampanga dia ny fitantanana sy ny fomba ratsiny, ny fitondrana no voatondrotondro amin’izany, ny filoha no voalohany voaendrikendrika. Lalànan-javatra no sady rariny izany. Rehefa tsara ny vokatra any amin’ny tompon’andrikitra tampony no miantefa ny dera, toy izay ny hatezerana raha tsapa ny tsy fetezan’ny fandehan’ny raharaha.

 Léo Raz

 

 

Les commentaires sont fermées.